Acts 7

1Ny mpisoronabe niteny hoe: ‘’Marina ve izany rehetra izany?‘’ 2Stefana niteny hoe: ‘’Ry rahalahy sy ry ray, henoy aho: ‘’Ny Andriamanitrin’ny voninahitra niseho tamin’ny raintsika Abrahama tamin’izy tany Mesopotamia, talohan’ny nipetrahany tao Harana; 3niteny taminy Izy hoe: ‘’Mialà eo amin’ny taninao ianao sy ireo havanao, ary mandehana any amin’ilay tany izay asehoko anao.‘’

4Avy eo niala an’ilay tanin’ny Kaldeana izy ary nipetraka tany Harana; nanomboka teo, taorian’ny nahafatesan’ny rainy, nentin’Andriamanitra tany amin’io tany io izy, izay hipetrahanao izao. 5Tsy nomeny ho lova teo izy, tsia, tsy ampy hametrahana tongotra akory. Fa nanome toky izy_na dia mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa_izy dia hanome ny tany azy ho fananany sy ho an’ireo taranany any aoriany.

6Andriamanitra dia niresaka taminy tahaka izao, fa ireo taranany dia hipetraka maharitra any amin’ny tanin’ny firenen-kafa, ary ireo mponina ao dia hitondra azy ireo amin’ny fanandevozana sy fampahoriana mandritry ny efa-jato taona. 7‘Nefa ho tsaraiko ny firenena izay tompoin’izy ireo,’ hoy Andriamanitra, ‘ary aorian’izany dia hanantona sy hidera Ahy eo amin’io toerana io izy ireo. 8Avy eo nomen’Andriamanitra an’i Abrahama ny fanekena amin’ny famorana, ka i Abrahama dia lasa rain’Isaka ary namora azy tamin’ny andro fahavalo; Isaka dia lasa rain’i Jakoba, ary Jakoba lasa rain’ireo patriarika roa ambin’ny folo.

9Satria ireo patriarika dia nialona an’i Josefa, ka namidin’izy ireo tany Egypta izy; fa Andriamanitra dia niaraka taminy 10ary namonjy azy tamin’ireo olany rehetra. I Josefa dia nomeny fankasitrahana sy fahendrena teo anatrehan’i Farao, mpanjakan’Egypta, izay nametraka azy ho governora manapaka an’ Egypta sy ambonin’ireo fananany rehetra.

11Ary dia tonga ny mosary nanerana an’Egypta sy Kanana, sy fijaliana lehibe, ary ireo razantsika dia tsy nahita sakafo. 12Fa rehefa naheno i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo razantsika tamin’ny dian’izy ireo voalohany izy. 13Tamin’ny dian’izy ireo faharoa i Josefa nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny, ary ny fianakavian’i Josefa dia lasa fantatr’i Farao.

14Josefa dia naniraka ireo rahalahiny hiteny an’i Jakoba rainy mba hoavy any Egypta, miaraka amin’ireo havany rehetra, teo amin’ny dimy ambin’ny fitopolo olona raha atambatra. 15Noho izany Jakoba dia nidina tao Egypta, ary maty izy, izy sy ireo razantsika. 16Nolanjaina ho any Sekema izy ireo ary nalevina tao amin’ilay fasana izay novidian’i Abrahama tamin’ny volafotsy tamin’ireo zanak’i Hamora tany Sekema.

17Rehefa nanakaiky ny fotoanan’ilay fampanantenana, ilay fampanantenana izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama, dia nihamaro sy nitombo ny olona tao Egypta, 18mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahafantatra ny momba an’i Josefa. 19Io mpanjaka io ihany no namitaka ny vahoakantsika sy nampahory ireo razantsika, izy ireo dia nanery ny razantsika handao ireo zanany ambava loza mba tsy ho velona.

20Tamin’izany fotoana izany i Mosesy no teraka; izy dia tsara teo anatrehan’Andriamanitra ary notaizana telo volana tao an-tranon’ny Rainy. 21Rehefa navoaka teny ivelany izy, dia ny zanaka vavin’i Farao no nanangana sy nitaiza azy tahaka ny zanany lahy.

22I Mosesy dia nampianarina ireo fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana, ary izy dia nahery tamin’ny teniny sy ny asany. 23Ka rehefa ho efapolo taona izy, tonga tao am-pony ny hitsidika ireo rahalahiny, zanak’Israely. 24Nahita israelita iray izay nampahoriana ka niaro azy i Mosesy sady namaly an’ilay izay nampahory azy tamin’ny famonona ilay Egyptianina: 25Nihevitra izy fa ho azon’ireo rahalahiny fa tamin’ny alalan’ny tanany Andriamanitra no nanavotra azy ireo, nefa dia tsy azon’izy ireo izany.

26Ny andro manaraka dia tonga tao amin’ireo Israelita sasany izy raha izy ireo nifanditra; nanandrana ny nampitony ny tsirairay avy izy, niteny hoe: ‘’Ry lehilahy, ianareo dia mpirahalahy, maninona ianareo no mifandratra?‘’ 27Fa ny iray izay nanao tsy nety tamin’ny namany nanosika azy, ary niteny hoe: ‘’Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay? 28Tianao ve ny hamono ahy, tahaka ny namononao ireo Egyptianina omaly?‘’

29Nitsoaka i Mosesy rehefa nandre izany; lasa mpiavy izy tao amin’ny tanin’ny Midiana, izay niterahany ny zanany roa lahy. 30Rehefa dila ny efapolo taona, nisy anjely iray nipotra taminy tany an’efitra teny amin’ tendrombohitra Sinay, teo amin’ny lelafon’ilay voaroy nirehitra.

31Rehefa tazan’i Mosesy ilay afo, talanjona izy tamin’ilay fahitana; ary rehefa nanatona izy ka nijery ilay izy, indro avy any nisy feon’ny Tompo niteny hoe: 32‘’Izaho no Andriamanitr’ireo razanao, Andriamanitr’Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba.‘’ Nangovitra i Mosesy ary tsy sahy nijery.

33Ny Tompo niteny taminy hoe: ‘’Esory ny kapa eny amin’ny tongotrao, fa io toerana izay hijoronao io dia tany masina. 34Efa hitako tokoa ny fijalian’ny vahoakako izay ao Egypta, henoko ny fitarainan’izy ireo, ary efa nidina nanavotra azy ireo Aho; koa ankehitriny, alefako ho any Egypta ianao.‘’

35Io ilay Mosesy izay nolavin’izy ireo, rehefa niteny izy ireo hoe: ‘’Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy ho mpitsara?‘’ Izy ilay tokana izay nalefan’Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpanavotra. Andriamanitra nandefa azy tamin’ny alalan’ny tanan’ilay anjely izay nipoitra tamin’i Mosesy teny amin’ny voaroy. 36Nitarika azy ireo hiala tao Egypta i Mosesy, rehefa avy nanao fahagagana sy famantarana tao Egypta sy teny amin’ny ranomasina mena, ary teny an’efitra nandritry ny efapolo taona. 37Io ihany ilay Mosesy izay niteny tamin’ny vahoakan’Israely hoe: ‘’Andriamanitra dia hanangana mpaminany ho anareo eo amin’ny rahalahinareo, mpaminany tahaka ahy.‘‘’

38Izy ilay lehilahy izay tao am-piangonana tao an’efitra niaraka tamin’ilay anjely izay niteny taminy teny amin‘tendrombohitr’i Sinay. Izy ilay lehilahy niaraka tamin’ireo razantsika; izy ilay lehilahy izay nandray ny teny velona zaraina ho antsika. 39Izy ilay lehilahy izay tsy nankatoavin’ireo razantsika; natosik’izy ireo lavitra azy ireo izy, ary any ampon’izy ireo dia niverina tany Egypta izy ireo. 40Tamin’io fotoana io niteny tamin’i Arona izy ireo hoe: ‘’Hanaovy Andriamanitra izahay hitarika anay, tahaka an’i Mosesy, izay nitarika antsika hivoaka an’ny Egypta, tsy fantatsika izay nitranga taminy.‘’

41Ary nanao omby lahy kely izy ireo tamin’izany andro izany ary nitondra fanatitra teo amin’ilay sampy, ary nifaly tamin’ny asan-tanany izy ireo. 42nitodika Andriamanitra ary namela azy ireo mba ho fiderana ireo kintana eny an-danitra, araka ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny mpaminany: ‘’Ianareo ve nanolotra ahy biby maty sy fanatitra nandritrin’ny efapolo taona tao an’efitra, tranon’ny Israely?

43Nekenareo ny tabernakelin’i Moloka sy ny kintan’ andriamanitra Refana, sy ireo sary izay ataonareo hiderana azy, ary izaho hitondra anareo any ankotran’ Babylona.‘’

44Ireo razantsika dia nanana tabernakelin’ny fijoroana vavolombelona tao an’efitra, araka ny baikon’Andriamanitra rehefa niteny tamin’i Mosesy Izy, izay tokony nataony nitovy tamin’ilay fomba efa hitany. 45Io ilay tranolay izay nalain’ireo razantsika, ary noentiny tao amin’ilay tany niaraka tamin’i Josoa, teo anatrehan’ireo razantsika, ireo fananan’ny firenena izay nandroahan’Andriamanitra ny tany izay noraisin’izy ireo ho fananan’izy ireo manokana, Ilay tranolay dia nitoetra tao amin’ilay tany nandritry ny andron’i Davida, 46ary izy nahazo fankasitrahana tao amin’ny fahitan’Andriamanitra ary nanontany raha hahita toerana honenana ho an‘Andriamanitr’i Jakoba.

47Fa i Salomona no nanamboatra ny trano ho an’Andriamanitra. 48Na izany aza, ny Avo indrindra dia tsy nipetraka tao amin’ny trano vita tamin’ny tanana, araka ny voalazan’ny mpaminany hoe: 49‘’Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano toy inona no afaka hamboarinao ho ahy? hoy ny Tompo, na toerana toy ny inona no hitsaharako? 50Tsy tanako ve no nanao ireo zavatra rehetra ireo?

51Ireo olona mafy hatoka sy tsy voafora ao am-po sy sofina, ianareo dia manohitra foana ny Fanahy Masina; ianareo dia manao tahaka izay nataon’ny razanareo. 52Iza tamin’ireo razanareo no tsy nanenjika mpaminany? Novonoin’izy ireo ny mpaminany izay niseho talohan’ny fiavin’ilay Fahamarinana, ary ankehitriny ianareo dia lasa mpamadika sy mpamono azy koa, 53ianareo vahoaka izay nandray ny lalàna izay napetrak’ireo anjely, kanefa tsy notazominareo izany.‘’

54Ary rehefa naheno ireo zavatra ireo ny mpikambana ao amin’ny filan-kevitra, tohina ny fon’izy ireo, ary nihidy vazana izy ireo tamin’ny Stefana. 55Fa izy, izay feno Fanahy Masina, nijery tsara ny lanitra ary nahita ny voninahitr’Andriamanitra, ary nahita an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra. 56Stefana niteny hoe: ‘’Jereo, itako misokatra ireo lanitra, ary ny zanak’olona mijoro eo ankavanan’ Andriamanitra.‘’

57Teo amin’izany dia notapenan’ireo mpikambana ao amin’ny filan-kevitra ny sofin’izy ireo, ary nihiaka niaraka tamin’ny feo ambony, nihazakazaka izy ireo nankeny aminy. 58Notaritin’izy ireo ivelan’ny tanàna izy ary nanomboka nitora-bato azy izy ireo, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny akanjony teo amin’ny tongotr’ilay zaza lahy nantsoina hoe Saoly.

59Raha nitora-bato an’i Stefana iny izy ireo, niantso mafy ny Tompo izy ary niteny hoe: ‘’Tompo Jesosy, raiso ny fanahiko.‘’ Nandohalika izy ary niantso tamin’ny feo mahery hoe: ‘’Tompo, aza tazomina izao ota izao hanoherana azy ireo.‘’ Rehefa avy niteny izany izy dia resitory.

60

Copyright information for PltULB